Politique

Fifidianana fihodinana faharoa Lesoka tokony hahitsy ny fanabeazana, hoy ny CFM


  • Zoma 30 Novambra 2018

Nilaza ny fahitany ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny HCC Ambohidahy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona.

 

 

Nivoaka iny ny vokatra ofisialy ary samy nandray ny andraikiny ny rehetra isan-tsokajiny sy ambaratongany, hoy izy. Hisaorana daholo ny CENI, ny SRMV, ny fokontany sy ny rehetra. Toy izany koa ny HCC. Amin’ny maha tany tan-dalàna dia hita ho nazava tao anaty kabarin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fifanojoan’ny ara-dalàna sy ny rariny ary ny hitsiny. Hiditra fihodinana faharoa isika izao ka tsara raha jerena ny ahafahana manitsy ny lesoka. Anisan’ny goavana tokony hahitsy ny lafiny fanabeazana, voizina ny fitandroana mandrakariva ny soatoavina. Miarahaba azy mirahalahy izay hiatrika fihodinana faharoa ny tenako, hoy izy, ary miantso azy ireo ho raiamandreny ka hiezaka hanabe ny mpomba azy dieny izao sy mandritry ny fampielezankevitra sy ny fifidianana ary aorian’izany. Tsara apetraka ny fanontaniana hoe toy ny mpirahalahy ve ny fifandraisan’ireto kandida ireto ? Raha izay dia tokony hahatsiaro izany izy ireo fa mpiray tampo. Toy ny raiamandreny sy zanaka ve ? Raha izay dia tokony hihevitra kosa fa mpianaka. Izany hoe tokony hipetraka amin’izy ireo hatrany, hoy ity mpahaifiarahamonina ity, ny soatoavina hoe “Ny maharesy tsy hobiana, ny resy tsy akoraina”. Manomboka ny 5 desambra izao moa, raha ny voambara, no hivory hijery akaiky ny raharaham-pirenena mandritra ity fihodinana faharoa ity ny CFM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT