Politique

Fifidianana fihodinana faharoa Hanao fanambarana goavana ny MFM anio


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Mivory eto Antananarivo ny “Comité Directeur National”-n’ny antoko MFM (Birao foibe) tarihin'Atoa Manandafy Rakotonirina nanomboka omaly sy anio 3 desambra.

 


Midinika ny amin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Hanao fanambarana goavana ny antoko anio alatsinainy 3 desambra mahakasika ny fanapahan-kevitra horaisiny manoloana ny raharaham-pirenena. Ho fantatra amin'izany ny kandida hotohanan'ny MFM amin’io fihodinana faharoa hifanandrinan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina io. Ny resaka fanohanana sy ny famondronan-kery rahateo no malaza amin’izao fotoana izao, ary isan’ny antoko manana ny maha izy azy sy ny lanjany eo amin’ny tantaram-pirenena ny MFM. Isan’ny hifantohan’ny sain’ny maro izany anio izay ho fanambarana lehibe hataon’ity antoko tarihin’i Manandafy Rakotonirina ity. Tsara kosa ny mampahatsiahy fa tamin’ny herinandro teo, dia efa nisy ny fanambaran’ny MFM Analamanga amin’ny hanohanana ny kandida Marc Ravalomanana ary niantsoany ireo mpikatroka tsy ankanavaka mba hifanome tànana sy hamondron-kery amin’izany ny MFM manerana ny Nosy. Hizotra amin’izany ve ny fanambarana sy ny toromariky ny Birao foibe sa zavatra hafa mihitsy no ambarany? Miandry ny rehetra fa hatreto aloha dia mbola ankamantatra na “surprise” izay hambaran’ny Birao Foiben’ny Mafana ho an’ity anio ity.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT