Ho vahinin’ny fandaharana Teknisianina vokarin’ny onjam-peo Top Radio 102.8FM amin’ny 7 ora sy sasany Atoa Tahina Razafinjoelina, manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny informatika.
Hitondra ny heviny mikasika ny fikirakirana ny voka-pifidianana sy ny fanatsarana azo atao ao anatin’izany. Hitondra fampitahana amin’ny lesoka hita eto amintsika mitaha ny fenitra maneran-tany : fomba fanisam-bato, ny fotoana lany izay mety hanamora ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana eto, ny fahalalan’ny mpifidy izay somary teritery ny eto ka maha ambany ny taham-pandraisana anjara, ny fandaniana mihoapampana azo hialana. Mandroso soso-kevitra amin’ny tokony handraketana anaty solosaina ny mpifidy izy satria eto amintsika eto Madagasikara ihany no tsy misy an’izany. Niteraka adihevitra lehibe ny mikasika ny rindrambaiko “logiciel”. Tsy resaka fahaizana na resaka rindrambaiko, fa raha navoakany isaky ny Birao fandatsaham-bato ireny dia mety tsy nisy ny adihevitra. Antenaina fa hisy izany amin’ny fihodinana faharoa, raha ny heviny. Tsy hoe ratsy ny CENI, fa misy ny fanatsarana azo atao. Mila mangarahara kokoa, tokony hosokafana kokoa hahafahana mandray ny vokatra, halalahana ny fahafahan’ny olona mifidy, tokony hitarina ny fikirakirana ary tsy tokony eny amin’ny CENI Alarobia ihany, fa manana faritra 22 isika, na koa isaky ny distrika 119 aza hanafainganana ny valiny satria rehefa haingana io mahatoky ny olona. Atao mangarahara kokoa ny hahafahan’ny olona mahazo ny vokatra isaky ny birao fandatsaham-bato. Mety hisy ny fahadisoana, ary diso roa na telo no mety hiteraka korontana izay tsy hahasoa ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.