Ao anatin`ny fanomanana tanteraka ny fizotry ny fifidianana solombavambahoaka ny CENI Madagascar amin`izao. Niely ny feo fa hahemotra ny tetiandro fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote.
Nanamafy ny mpampiakatenin`ny CENI, Fano Rakotondrazaka, fa ho an`ny CENI sy ny rafitra mpanamarina sy mpandrakitra an-tsoratra ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana (OVEC) eny amin`ny distrika 119 dia ny 26 febroary lasa teo no nanomboka ny fandraisana ny antontan-taratasy isaky ny distrika ka hatramin’ny 12 martsa izao amin`ny 5 ora hariva izany raha ny didim-panjakana nivoaka. Tsy mbola misy ny fanemorana ny daty hanaterana ireo antontan-taratasy ireo. Momba ny fomba fiasan`ny OVEC, rehefa tonga ny kandidà hametraka ny antontan-taratasy dia manamarina izany sekretaria teknika. Raha feno ireo fepetra takiana, manome « récépissé de dépôt » ny OVEC ka manana 72 ora izy ireo handinihana azy. Raha tsy feno kosa, omena safidy malalaka ny kandidà ka manana 48 ora izy amin`ny famenoana ny antontan-taratasy. Tsy midika fa efa kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny olona iray raha nahavita nametraka ny antontan-taratasiny fa miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny OVEC. Raha tsy mahafapo ny kandida ny valiny dia mbola azo entina eny amin’ny CENI ka 24 ora indray no handinihana ny antontan-taratasy, hoy hatrany i Fano Rakotondrazaka. Ny 19 martsa kosa no hamoaka ny lisitra ofisialin`ireo depiote hirotsaka hofidiana amin`ny fifidianana manaraka izao ny CENI foibe, araka ny tetiandrom-pifidianana eo am-pelatanany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.