Politique

Fifidianana Ben'ny tanŕna Tsy voafehin'ny CENI-T intsony ny tetiandro


  • Alatsinainy 30 Martsa 2015

Mizotra tsikelikely mankany amin'ny tsy hahavitan'ny fifidianana Ben'ny tanŕna sy mpanolotsaina amin'ny volana jolay 2015 i Madagasikara. Manomboka tsy voafehin'ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI-T) intsony ny tetiandrom-pifidianana nofaritany tany am-piandohana.

 

 

Tsy voatazona  ny 17 jolay 2015 ka nandroso ny datin'ny 31 jolay 2015 indray ny CENI-T hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny tanàna. Mbola miankina amin'ny famoahan'ny governemanta ireo didim-panjakana mamaritra ny daty hisokafan'ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo mpirotsaka hofidiana anefa izany, fotoana izay tsy azon'ny CENI-T vinavinaina mialoha. Toarak'izany koa ny famoahan'ny filoha ireo didim-panjakana fampiharana ireo lalàna mifehy ireo vondrombahoakam-paritra manana sata manokana vao nolanian'ny solombavambahoaka ny herinandro lasa teo.

Etsy ankilan'izay ny famaritan'ny CENI-T daty vaovao ny 31 jolay 2015 hanaovana latsabato dia midika avy hatrany fa nihoarana lavitra ny 90 andro voatondron'ny lalàna 2014-012 mifehy ny CENI-T tsy maintsy hifidianana filoha rehefa misy fahabangan-toerana. Vao namaritra daty vaovao ihany koa ny CENI-T dia tsy manankery intsony ilay fanapahan-kevitra noraisin'izy ireo izay mamaritra fa ny filoha vonjimaika no manohy ny asan'ny filoha mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasan'ny CENI-T. Tsy azo ihodivirana ny fanaikana firotsahan-kofidiana ho filohan'ny CENI-T sy ny hanaovan'ny mpikambana fifidianana izay ho filoha vaovaon'ity vaomiera ity taorian'ny nanendrena ho minisitra an'i Atallah Béatrice.

Ankoatra izay dia hitombo betsaka tsy toy ny tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ny isan'ny fari-pifidianana amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna, maherin'ny 1600 ary ho maro manaraka izany koa ny isan'ny kandida. Manodidina ny 42 miliara Ariary ny tetibola nofaritan'ny CENI-T hanatanterahana izany,  tsy misy afa-tsy 20 miliara Ariary anefa no voafaritra ao amin'ny lalàna mifehy ny tetibola 2015, natokana ho an'ny fifidianana. Iza no hameno ny banga ? Ny Vondrona Eoropeanina efa nilaza fa tsy hanome.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT