Mila olon-kendry sy marani-tsaina ny tanànan’i Toliara mba tsy hiroro intsony. Tapaka nandritra ny fivoriamben’ny HVM in-droa nihantohana ny 31 janoary sy 26 febroary lasa teo, tao amin’ny CAPR, fa Atoa Dédé Vita Sidison, mpandraharaha ara-toekarena sady filohan’ny fikambanana TOMIRA (Toliara Miaro Raike) no lany ary kandidà ofisialin’ny HVM ho ben’ny tanànan’i Toliara I, izay natrehan’ny « délègue régional » filoha mpiara-mitantana roa tonta.
« Mpisoloky izay misora-tena ho kandidàn’ny HVM ivelan’i Dédé, ary mamotika an’i Toliara » hoy ny fanazavana. Marihina fa talohan’io fivoriambe io dia nisy ny sivana niainga avy tany amin’ny fokontany 41 ny amin’ izay ho kandidà ben’ny tanàna.
Asa sosialy
Resy lahatra ka nampandany an’ ity mpandraharaha ity noho ny asa soa ara-tsosialy vitany. Ampahany amin’izany nataon’i TOMIRA tao anatin’ny telo volana : fandraofana ireo fako niavosa nameno tanàna tamin’ny alalan’ny asa tana-maro sy fitrohana ireo rano niandrona taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Fundi. Teo ihany koa ny fanampiana vary sy entana samihafa ireo traboina sy fanomezana milina fanjairana dimy ho an’ireo fikambanam-behivavy sembana.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.