Politique

Fifidianana Ben’ny tanàna Nisafidy ny Vahoaka, hanova ve ny Fitsarana ?


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2015

Andrasana manomboka amin’ny faramparan’ity herinandro ity ny vokatra ofisialin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina natao tamin’ny 31 aogositra 2015, tamin’ireo Kaominina miisa 1695 manerana ny Nosy.

 

 Naneho ny safidiny ny vahoaka, ka raha ny vokatra navoakan’ny CENI-T dia niisa 21 ireo Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny isam-bato 100%, ka samy nahitana 6 avy tao amin’ny Faritany Antananarivo, Fianarantsoa ary Toliara ; 2 nanerana an’i Toamasina, 1 tany Mahajanga ary tsy nahitana kosa tany Antsiranana. Miisa 25 ireo Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny salanisam-bato teo anelanelan’ny 75-100%, nisy 460 ireo voafidy teo anelanelan’ny 50-75%. Maro an’isa, niisa 1116 ireo voafidy tamin’ny salanisam-bato teo anelanelan’ny 25-50% raha 63 kosa ireo Ben’ny tanàna voafidy teo anelanelan’ny 10-25%. Vokatra vonjimaika ihany anefa ireo, satria ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana no tompon’ny teny farany. Miisa enina izy ireo, iray isaky ny Faritany. Zavontany raha ny fitoriana voarain’izy ireo. Mandra-piandry ny vokatra ofisialy anefa dia efa mandeha ny feo fa misy antoko hanao izay hampitsimbadihana ny voka-pifidianana amina kaominina maromaro. Handairan’izany ve ny Fitsarana, sa hitsara ampahamarinana tokoa ? Anisan’ny antoka hisian’ny fitoniana na tsia ny voka-pifidianana hivoaka eo.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT