Kandida fito hatreto no efa nahazo ny taratasy fanamarinana sy fankatoavana ny filatsahany ho an’ny fari-pifidianan’Antananarivo Renivohitra, anisan’izany i Neny
. Ny sabotsy lasa teo ihany dia efa nisy telo ireo kandida nahazo ny fanambarana ny maha kandida hofidiana ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra azy ireo fa ny efatra kosa omaly. Ho an’ireo telo ambiny kosa dia mbola misy fanitsiana kely ny antontan-taratasin’izy ireo ka manana hatramin’ny anio izy ireo hanitsiana izay diso sy hamenoana izay banga. Araka ny voalazan’ny lalàna dia manana 72 ora manomboka hatreo amin’ny nanokafana ny antontan-taratasiny ny kandida iray hanitsiana ny diso sy hanarenana ny banga. Dila io fotoana io dia tsy maintsy mamoaka ny lisitr’ireo nahafeno fepetra ka mahazo miteny hoe kandida ofisialy amin’izay. Manomboka eo ihany koa dia miato amin’ny asany amin’izay ireo mitana andraikitra amin’ny asam-panjakana toy ny ben’ny tanàna am-perinasa sy ireo sefom-pokontany am-perinasa na asa hafa mety hisy fifandraisany mivantana amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Ho an’ireo kandida nihintsana avy tao amin’ny Ovec izay nametrahany ny taratasy filatsahan-kofidiany indray dia mbola manana fe-potoana 48 ora izy ireo hitondrana ny fitarainana eny anivon’ny Cenit ary raha dila indray io fe-potoana voafaritry ny lalàna io ka tsy nahazo ny fankatoavan’ny Cenit indray dia ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no mandray ny fitarainana no sady tompon’ny teny farany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra farany ao anatin’ny 48 ora ihany koa. Raha fintinina izany dia any amin’ny faran’ny volana mey no hamoaka ny lisitry ny kandida rehetra nahafeno fepetra manerana an’i Madagasikara ny Cenit.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.