Politique

Fifidianana Ben'ny tanŕna Mety hihemotra indray ?


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Ho fanomanana ny fifidianana Ben'ny tanŕna sy ny mpanolotsaina izay kasaina hatao ny 17 jolay ho avy izao, dia nampiantso ireo antoko politika mijoro ara-dalŕna ny CENI-T tetsy amin'ny foiben-toerany Alarobia omaly. Novoaboasana tamin'izany ireo andinindinin'ny lalŕna 2014-020 mikasika ny fepetra momba ny fifidianana.

 

 Voalaza fa lisitra tokana no harotsaky ny antoko politika na vondrona politika na fikambanana na ny “Indépendant” hofidiana amin'ny Kaominina iray, izay miisa 1691 izy izao manerana ny Nosy hatramin'ireo Kaominina vaovao vao nolanian'ny Solombavambahoaka. Ka ny lohalaharana amin'ny lisitra mahazo vato be indrindra no voafidy Ben'ny tanàna. Miady toerana ho mpanolotsain'ny Kaominina kosa arakaraka ny isan-toerana hifaninana ny iray tarika ao anaty lisitra.
Miisa 7 ka hatramin'ny 19, arakaraka ny hamaroan'ny mponina ao amin'ny Kaominina no anisan'ireo mpikambana hofidiana ao anatin'ny Filankevitry ny tanàna. Voalazan'ny lalàna koa fa tsy voatery monina ao amin'ilay Kaominina izay hilatsaka hofidiana ao.

Niaro tena

Tsikaritra teo amin'ny fanazavan'ny mpitarika ny CENI-T fa na io lalàna tokana 2014-020 io aza dia tsy feno ary tsy vonona daholo ireo fehezan-dalàna rehetra momba ny fifidianana ny Ben'ny tanàna. Na ny petra-bola natao antoka efa naloan'ireo kankida efa nirotsaka tamin'ny 2010 aza dia nialan'ny CENI-T fa misy tolo-kevitra, hoy izy ireo alefa any amin'ny fitondram-panjakana hanonerana ireny vola ireny, fa atao kaonty hafa mihitsy ity vaovao ity. Midika ve izany fa tsy manam-bola hiatrehana ity fifidianana dradraina hatao amin'ny 17 jolay 2015 ity ny CENI-T ? Nilaza tokoa manko teo aloha ry zareo mpamatsy vola PACEM ny hoe tsy ampy 17 miliara Ariary ny tetibola hanatontosana io fifidianana io. Ny Fanjakana aza anefa ity traboina ihany koa, tsy manam-bola, ny mpamatsy vola toa miandry avokoa tsy misy miroso.
Maro ny fanakianana nataon'ireo lehiben'antoko politika tonga namaly ny antson'ny CENI-T omaly. Anisan’izany ny tsy fanoloana ny Filohan'ny CENI-T. Niaro tena izy ireo fa hoe raharaha anatin'ny CENI-T ny amin'izany fa manjary tsy tratra ny tetiandron'ny fifidianana kasaina hatao ny 17 jolay 2015 raha mbola hanova Filoha, ka aleo ny Zokiolona mpisolo toerana ihany no hitarika vonjimaika ny vaomiera, hoy izy ireo. Naneho ny fangatahana hanemorana ny fifidianana, izay na ny lisitry ny Kaominina aza tsy vonona, ny ankamaroan'ireo lehiben'Antoko politika namaly ny fanasan'ny CENI-T. Tazana teny an-toerana moa ireo endrika tsy vahiny amin'ny raharaham-pirenena. Anisan'izany i Patrick Raharimanana sady efa kandida Filoham-pirenena farany teo no lehiben'antoko “Vitatsika io”, ry Vaovao Benjamin (Arema), Voninahitsy Jean Eugène (RPSD Vaovao), Dr Randriamiandrisoa Joseph (Undd), Ramanantsoa (MTS), ny solontenan'ny AVANA. Tsy hita kosa ny HVM, TIM, Hiaraka isika, ... Nanao tsidi-pahitra teo am-panombohana i Augustin Andriamananoro (MAPAR) avy eo lasa tsy niverina. Midika ve izany fa midongy tsy hanao fifidianana Kaominaly ireo antoko lehibe fa ny madinika no maika amin'ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana eny ifotony ? Sa efa nisy fifanarahana tamin'ny fivorian'izy Filoha dimy mirahalahy mianaka niaraka tamin'ny FFKM fa hiroso amin'ny fanovana ny Lalàmpanorenana izay hiafara amin'ny fifidianana Filoham-pirenena vaovao ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT