Raha nanaontanian’ny mpanao gazety ny amin’ny hevitry ny antoko tarihany momba ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko MFM omaly dia nilaza fa :tsy mbola nisy fifanarahana
manokana momba ny fifidianana ben’ny tanàna teo amin’ny MFM sy ny ankolafy Ravalomanana ; ny fifidianana filohampirenena sy depiote no niarahanay, fa tsy mbola nisy resaka hatramin’izao ny fifidianana ben’ny tanàna , hoy i Manandafy Rakotonirina.Natsidiny ary fa mety hiaraka na mety hisaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana ny MFM ka hanolotra ny kandidany manokana amin’ny fifidianana kaominaly ny 17 jolay ho avy izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.