Sambany hisy vehivavy nirotsaka hofidiana Ben’ny tanŕna ao amin’ny Kaominina Anosiala, Distrikan’Ambohidratrimo izay nandrotsaka ny antontan-tarasiny teny amin’ny Ovec Ambohidratrimo ny zoma 8 mey teo dia Rtoa Rakotondrasoa Heritiana Bazin izay mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko HVM
. Nambarany fa tsy tokony hangatahan’andro intsony ny fametrahana rafitra ifotony toy ny eny anivon’ny Kaominina fa miantoka ny fampandrosoana ny vahoaka tsy mandady harona. Izaho, hoy izy, dia renim-pianakaviana efa tia manampy ny mpiarabelona amiko ka vonona ny hanitatra izany eo anivon’ny Kaominina manontolo mihitsy. Vonona ny hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana araka ny teny filamatry ny antoko ny tenako, hoy izy, ka hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanamafisana orina ny fiandrianam-pirenena mba hisian’ny fampandrosoana miainga ifotony marina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.