Politique

Fifidianana ben’ny tanŕna Hahemotra amin’ny 31 jolay


  • Zoma 27 Martsa 2015

Hahemotra amin’ny 31 jolay 2015 indray ny fifidianana ben’ny tanŕna sy mpanolotsain’ny tanŕna araka ny tolo-kevitry ny fivoriamben’ny Cenit omaly teny Alarobia.

 

 


 

 Noho ny fahataran’ny fankatoavana ireo sata manokana momba an’Antananarivo, Nosy Be, Sainte Marie, izay nanova ny tetiandrom-pifidianana no nahatonga izao fanemorana izao, hoy Atoa Ralaiariliva Ndriana Mamy, filoha vonjimaikan’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana.Hanomboka ny 8 aprily ka hifarana ny  7 mey ny fandraisana ireo antontan-taratasy ho an’izay kandida hirotsaka, mbola hofaritana amin’ny manaraka kosa ny antoka haloa. Ny  26 ka hatramin’ny 30 jolay kosa ny propagandy, tolo-kevitra ihany moa ny an’ny Cenit fa miandry ny filankevitry ny minisitra vao tena ho fantatra ny tena marina momba ity datim-pifidianana ben’ny tanàna ity. Efa nampoizin’ny maro ihany moa izao fanemorana izao noho ny tsy fahamatoran’ny fandrafetan’ny governemanta ilay volavolan-dalàna momba an’Antananarivo Renivohitra. Hisy koa anefa ny mihevitra fa efa tafiditra ao anatin’ny kajy politikan’ny antoko eo amin’ny fitondrana ihany izao mitranga izao, mba hananany fotoana lava kokoa hiomanany sy hametrahany ny olony.

Légende : Ralaiariliva Ndriana Mamy, filoha vonjimaikan’ny Cenit (mitazona micro)

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT