Traboina izay traboina fa ny antokon’ny fanjakana mila mihetsika. Ny sasany mizara fanampiana ny hafa miketrika izay ho kandida Ben’ny tanŕna harotsaka amin’ny anaran’ny HVM amin’ny fifidianana ho avy eo.
Anisan’ny lahadinika namoriana lehiben’ny faritra miisa valo, tratr’antso, sy tompon’andraikitra samihafa eny anivon’ny Faritra, tetsy amin’ny biraon’ny FDL Anosy ny faran’ny herinandro teo io. Maro ny resaka nivoaka, fa ny loza tao anatin’izany araka ny filazan’ireo tsy nahatam-bava dia ny fikasana hanao fitaovana ny ao amin’ny minisiteran’ny Atitany hanao tsindry amin’ny fisafidianana kandida. Ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka e !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.