Voatendry ny farany herinandro teo ny kandida ho ben’ny tanŕna ao amin’ny kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka ho an’ny antoko Tiako Madagasikara.
Niteraka resabe teo amin’ireo samy mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana ity fifidianana natao tampotampoka ity. Tsikaritra fa vitsy rahateo ny olona afaka nandray anjara tamin’ilay safidy Mbola betsaka amin’ireo mpomba ny filoha Ravalomanana Marc any Ambatondrazaka no mieritreritra fa tsy ny fisafidianana kandida no mahamaika fa ny famondronana ny hery ho entina miatrika izany. Nanamafy anefa ny mpitarika ny fivoriana ny faran’ny herinandro teo fa tsy misy fifidianana azo atao intsony taorian’ny nanendrena Atoa Rafidimanana Louis Fidèle ho kandida TIM Ambatondrazaka.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.