Politique

Fifidianana Ben’ny tanŕna 3 martsa-16 aprily ny fandraisana ny firotsahan-kofidiana


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany tamin’ny taon-dasa fa dia hotanterahina amin’ny 17 jolay 2015 ny fifidianana Ben’ny tanŕna

Na hisy Faritra sy Kaominina ary Fokontany vaovao hoforonina na ny amin’izao ihany no hotazomina dia efa io aloha izany ny fotoana, ka manoman-tena izay vonona hisedra ny safidim-bahoaka. Raha ny tetiandro, dia hofaranana amin’ny 15 aprily 2015 ny lisi-pifidianana. Manana hatramin’ny 2 jolay ireo manan-kolazaina na fitarainana mikasika io lisi-pifidianana io. Misokatra ny 3 martsa ny fandraisan’ny OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement de Candidatures) ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, ary tsy hifarana raha tsy  amin’ny 16 aprily. Ho fantatra amin’ny 28 aprily ireo kandida nahafeno fepetra ka afaka hifaninana, ary ny ampitson’io ihany dia efa hatao ny fisarihana handaharana ireo kandida ao anaty bileta tokana. Haharitra tapabolana, hisokatra ny 2 jolay ary hifarana ny 16 jolay ny fampielezan-kevitra, ary ny 17 jolay no andron’ny latsabato. Manomboka amin’ny 25 jolay ny famoahana vokatra vonjimaika, ary amin’ny 02 septambra farafahatarany no hivoahan’ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Tsiahivina fa tamin’ny 12 desambra 2007 no nisy fifidianana Ben’ny tanàna farany, ka nahalany ireo mbola am-perinasa amin’izao. Nikasa hanao fifidianana Ben’ny tanàna ny Fahefana avon’ny tetezamita tamin’ny 20 desambra 2010 saingy tsy tanteraka. Nisy koa vinavina saika hanaovana azy tamin’ny 2014 saingy nitarozaka ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana, izay mbola misy vary mangatsiaka hatramin’izao. Nofaritana ny datin’ny 17 jolay 2015 hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna vaovao. Betsaka anefa zavatra mbola hitranga mialoha izany, raha tsy hitanisa afa-tsy ilay fihaonana an-tampony andiany faharoa eo amin’ireo filoham-panjakana dimy hotarihin’ny FFKM hatao amin’ny 13 janoary, izay mety hanova zavatra betsaka amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT