Na tsy mbola nisy nametraka filatsahan-kofidiana aza dia efa re sahady fa hanodidina ny 27 ny ho kandidà ho ben’ny tanànan’Antsirabe renivohitra.
Tsy mahasakana ireo mpanao politika mihitsy ny olana lalovan’ity kaominina anisan’ny goavana eto Madagasikara ity fa ny toerana ihany aloha no tena hihazakazahan’izy ireo halaina. Ho an’ny mpiasan’ny kaominina kosa dia mazava ny azy ireo ny resaka fa izay kandidà mahavita mandoa ny trosan’izy ireo, hono, ny azy no hotohanany. Raha ny amin’ireo kandidà milaza ny hilatsaka ireo dia manodidina ny valo eo ho eo no fantatra fa hampiasa volabe sy manana mpanohana matanjaka aoriany, anisan’izany ny lehiben’ny faritra teo aloha izay efa nilatsaka ho solombavambahoaka fa tsy lany ka mbola hilatsaka amin’ny anaran’ny tenany indray, eo ny Mapar hanolotra olona ihany koa, eo koa ny TIM izay matoky hatrany ireo mpikatroka betsaka ao aminy ary ny antokon’ny fitondrana izay hiara-kiasa amin’ny fikambanana Mampiray avy any Ambositra. Ankoatra ireo dia misy ireo kandidà manolo-tena izay hita fa ho maromaro ihany hikendry hampiasa volabe ihany koa. Hatreto moa dia tsy mbola nisy ny nametraka ny taratasy filatsahana hofidiana aloha satria tsy mbola tena mazava tsara ny vola tokony harotsaky ny tsirairay ka mbola resaka an-jorony avokoa ireo rehetra ireo. Efa vonona kosa ny eo anivon’ny CED amin’ny fanomezam-panazavana sy ny toromarika amin’ireo maniry hilatsaka hofidiana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.