Politique

Fifidianana any Toamasina Laharana faha-8 ao amin’ny bileta tokana ny kandidan’ny TIM


  • Alarobia 27 Mey 2015

Vita omaly maraina teo anivon’ny biraon’ny OVEC Toamasina ny antsapaka momba ny filaharan’ireo kandida hapetraka eo anivon’ny bileta tokana amin’ny fifidianana ny volana jolay izao.

 

 Nandritra izany no nahafantarana fa laharana faha-8 ny lisitry ny antoko Tiako I Madagasikara tarihan’i Dr Rakotomanana Gervais. Laharana faha-10 kosa ny Malagasy Tonga Saina raha laharana faha-4 ny Hery Vaovaon’i Madagasikara  raha toa ka  laharana voalohany ny Mapar. Ankoatra izay, dia laharana faha-5 ny Vognono Hampandroso an’i Madagasikara, faha-2 ny tsy miankina Pr Mangalana Eugene Regis, faha-3 ny Samy Gasy, faha-7 ny Gasy Miatrika ny Fampandrosoana ny tanàna, faha-6 ny Vondron’ny Kristianina Mandray Andraikitra, ary faha-9 ny Alliance Liberale pour la Democratie Republicaine. Nomarihan’ny tompon’andraikitry ny OVEC Toamasina I fa tsy misy olana ny antontan-taratasin’ireo kandida eo amin’izy ireo, na betsaka aza ny resaka mandeha ety ivelany, izay no nahatonga ny rehetra nahazo ny fahazoan-dalana hiatrika ny fifidianana avokoa.

 

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT