Politique

Fifidianana –Antananarivo Renivohitra Tsy milamina ny dosien’ny Otrikafo sy ny Arema


  • Alarobia 20 Mey 2015

Anio no hahafantarana na efa ara-dalŕna avokoa ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidian’Atoa Andrianjaka Jonah avy amin’ny Otrikafo sy Atoa Harimanana Raniriharinosy tohanan’ny antoko Arema na tsia

 

. Kandida hilatsaka hofidiana ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izy ireo saingy hatramin’ny omaly tolakandro dia tsy mbola ara-dalàna ny taratasin’izy ireo satria tsy feno ny fepetra tokony handoavan’izy ireo ny antoka na “Caution” teny amin’ny tahirim-bolam-panjakana. Ny alin’ny alakamisy talohan’ny andro farany tamin’ny fandatsahana ny taratasy filatsahan-kofidiana vao niparitaka ny vaovao fa tsy maintsy manao sonia ny taratasy handoavam-bola any amin’ny tahirim-bolam-panjakana indray ireo milatsaka hofidiana mpanolotsaina ka teo no tena nampisavoritaka ny maro ka anisan’ny sahirana tamin’izany izy mirahalahy ireo. Efa nanaovan’ny mpanao politika maro fanamarihana ihany ny fankasarotana ny fikarakarana ny taratasy sy ny fanovaovana hatrany ny fepetra mandritra ny fotoana fandatsahana ny taratasy ka izao no vokany. Tsy fantatra intsony izay miseho any ambanivohitra any noho izany.

Ho an’ireto kandida mirahalahy eto Antananarivo  Renivohitra ireto dia efa tara omaly hariva na efa alina mihitsy no nahazoam-baovao ny Ovec Analamanga fa efa feno ny antontan-taratasin’izy ireo ka efa ao anatin’ny fanahara-maso fatratra. Anio  no fitsarana farany ho an’ny Ovec ho azy ireo noho izany.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT