Namoaka fanambarana omaly ry zareo avy eo anivon’ny antoko “Faneva de Madagascar pour le Développement et la Démocratie (FMDD)”
fa tsy tokony hipetra-potsiny fa ho mailo manoloana ny zava-misy ankehitriny ny vahoaka Malagasy, indrindra, ireo mpahay lalàna. Raha tsiahivina, hoy ny filohan’ity antoko politika ity, Rafanomezantsoa Rochel, dia ny fialan’ny filoham-pirenena ankehitriny no notakiana teny amin’ny 13 mey. Tsy izay anefa no nitranga fa ny governemanta indray no nisolo. Niteny ihany izahay ny farany satria hita ho tena amboletra loatra ilay fifidianana. Miantso ny kandida tia tanindrazana mba hivondrona hanao izay hanemorana io fifidianana io. Miantso ny mpahay lalàna rehetra ihany koa mba handray ny andraikiny, hoy hatrany ity filoha ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.