Feno hipoka ny Kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy lasa teo. Rakotra vahoaka na ny «gradin », « tribune », ary ny teo afovoan’ny Kianja. Porofoin’ny vahoaka hatrany ny fitiavany sy ny fanohanany amin’ny hery rehetra ny Kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana,
ary hoporofoina amin’ny latsa-bato amin’ny alarobia 7 novambra izao. Nampihetsi-po ny maro ny fihaonana tamin’ny sabotsy, izay sokajiana ho efa ivon’ny fandresen’i Marc Ravalomanana. Niombom-po tamin’ny vahoakan’Antananarivo i Madagasikara manontolo, izay maro no naniry ny ho etsy Mahamasina saingy tsy afa-nanoatra noho ny halaviran’ny toerana. Maro anefa ireo avy amin’ny toerana somary lavitra tonga teny Mahamasina, toy ny avy any Imerintsiatosika, Manjakandriana, Ankazobe,… 157 ny toerana notsidihan’i Marc Ravalomanana nanomboka tamin’ny 8 oktobra, ary saika voatety avokoa ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara, ary izy no hany kandida tokana nahavita an’izany, izay manamafy fa akaiky ny vahoaka izy. Tonga ny fotoana sahia mandray andraikitra, ary reseo ireo sakantsakana samihafa, hoy ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ireo vahoaka an’aliny maro Mandehana mifidy daholo, ary ento ny havana sy ny namana rehetra. Mandresy dada rehefa tonga mifidy ianareo, ary mino aho fa handresy dada amin’ny alarobia, hoy izy, izay naneho fa mahatoky ny vahoaka maro be teo Mahamasina sy ny Malagasy manontolo.
Efa vita sy maty paika ny vahaolana ho an’ny firenena, efa eo rahateo ny “manifesto” sy ny MAP2 izay velirano sy fanomezan-toky omeny ny vahoaka. Tsy natao hanaovana propagandy fotsiny ireo, fa tena hoentina hanarenana ny firenena, hananganana ny simba, hoy izy. Tetikasa tena izy, fa tsy tetikasa misavoana. Izaho tsy hanangana “building” tsy hipetrahanareo na hampiandry anareo afaka 30 taona, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Nidera ny vahoaka izay tsy voavidim-bola izy satria ny olona aza no mahafoy vola sy fotoana. Programa azo tanterahina tsara ny antsika, fa tsy poakaty akory. Nanome toky ny vahoaka izy fa hanangana ny rava, hanangana ny fiainam-bahoaka sy ny firenena mba ho vanona ary nohamafisiny ny hoe: mpanangana fa tsy mpandrava. Fantatro, reko, hitako ny fitarainan’ny Malagasy toy ireo mitoka-monina ka hamboarintsika ny lalana. Hohatsaraina ireo lalana efa vita fa hanamboatra vaovao ihany koa ny fanjakana Ravalomanana. Hohamafisina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana mba hiadanan’ny vahoaka. Hanao ny fara-fahaizako sy fahakingako aho, ary hanarina isika, hoy i Marc Ravalomanana. Tena hanampy anareo i Dada fa aza matahotra. Ianareo milaza hoe efa manana, dia aza matahotra fa isika tsy hanana ny fanananareo fa hampanana ny tsy manana, hoy izy. Tsy maintsy hampiasa ny teknolojia vaovao sy ny traikefa ananany amin’ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka isika fa aza matahotra. Ianareo izay misalasala dia izao no teneniko. Hizarana ny teknikam-pamokarana ny tantsaha, ny mpanao asa tanana,… Homena asa ny tanora ankoatra ireo homena ny fiofanana ara-teknika. Ny tanora, izay tsy nahalala ny tantara izay 9 taona monja tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’izany, dia nambarany fa tsy hatao ambanin-javatra fa homena asa. Hohamafisina ny fitsinjaram-pahefana tena izy, mba tena ho mirazotra ny fampandrosoana ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.