Fifidianana madio eken’ny rehetra no tanjona, hoy ny fanamafisan’ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, omaly raha nanefa ny zo maha olom-pirenena azy.
Mifampiahiahy fatratra anefa isika malagasy, hoy izy, na dia efa nezahana natao aza ny handray ny fepetra hahatongavana amina fifidianana eken’ny rehetra.
Manoloana izay indrindra moa dia azo antoka fa tsy maintsy hisy ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo kandida maro, indrindra, ireo nitaky ny hanemorana iny fifidianana iny, rahampitso. Rahampitso 9 novambra, raha ny ara-dalàna, koa no fotoana ahafahan’ireo izay te haneho ny heviny manao izay ahiahiny izay amin’ny fomba ofisialy.
Ny azo antoka aloha izany hatreto dia ny kandida laharana faha 25 sy 13 no hifaninana amin’ny fihodinana faharoa amin’ity fifaninana ho eny Iavoloha ity. Na izany na tsy izany dia be ny fanahiana mikasika ny hoso-pifidianana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.