Politique

Fifidianana 2018 Tandremo ny mpanely tsaho, hoy ny depioten’i Fianarantsoa II


  • Talata 11 Septambra 2018

Fifidianana izao no malaza ary saika samy manana ny fanehoan-keviny mikasika izany avokoa ireo hery politika rehetra. Ho an’ny depiote, Manoelina Ratovoson voafidy tao Fianarantsoa II,

 

 

tokony hamantatra izay andrasan’ny vahoaka aminy ireo kandida fa tsy hiandry ny vahoaka hiteny lava izao. Izany hoe midina ifotony. Aoka tsy hovidim-bola intsony ireo mpifidy. Raha ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny no dinihina dia tsy azo eritreretina ny halatra amin’io fifidianana io. Manakorontana izay milaza ny mifanohitra amin’izay. Samy hanana ny solontenany any amin’izay misy azy avy ireo kandida ary 48 ora aorian’ny fifidianana dia efa tokony ho fantatra ny vokatra. Eo ny fesiboky, ny zanabolana, ny aterineto sy ny maro hafa. Tandremo fa misy olona vonona hanely tsaho fotsiny anefa. Toy ny tamin’ilay fihaonana iraisampirenena teo amin’ny taranja baolina kitra natao teo Mahamasina ny alahady, ohatra, misy miteny hoe 7 no maty nefa izaho maheno fa roa, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT