Herinandro tsy hirosoana amin’ny propagandy isika amin’izao fotoana, saingy misy ny mpanao politika, eny fa ny kandida mihitsy aza mametraka ny ahiahiny amin’ny resaka tsy fangaraharana, indrindra eo amin’ny lisi-pifidianana.
Iray amin’ireny ny kandida filoha Fanirisoa Ernaivo, izay naneho izany nandritra ny fivahinianana tao amin’ny fandaharana « Mangarahara » vokarin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 FM omaly antoandro. Maro no tsy tafiditra anaty lisitra ary matetika aty an-drenivohitra no ahitana an’izany, kanefa any amin’ny faritra tena lavitry ny renivohitra no ambara fa nitombo, toy any Androy izay 203 004 tamin’ny 2013, ary lasa 314 031 tamin’ity, izany hoe 111 027 ny fitomboana. Any Atsimo Andrefana kosa dia 387 980 tamin’ny 5 taona lasa ary 551 837 ankehitriny, izany hoe 163 857 ny fitomboana. I Vakinankaratra anefa tamin’ny 2013 dia 702 569 ary lasa 834 804, izany hoe 132 235 ny fitomboana. Hitovy ve ny isan’ny olona mitombo any amin’ny faritra Androy sy Vakinankaratra ? Faritra 7 no tena be mpifidy, saingy mitovitovy isa amin’ny any amin’ny toerana tsy dia misy mpifidy ny fitombon’ny mpifidy ary ambany mitaha amin’ireo avy amin’ireo toerana mampiahiahy aza, hoy i Fanirisoa Ernaivo. 12,5 tapitrisa eo ny olona afaka mifidy, ary 9,9 tapitrisa eo ny isan’ny voasoratra anarana, izay manome 88%, raha ny nambarany, izany hoe mitovitovy amin’ny any Frantsa, izay tsy dia mampino. Raha ny tena marina eny an-toerana araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo kosa, dia vitsy ny voasoratra anarana, ka manahy izahay fa misy zavatra tsy mitombina ao, ary natao fanahy niniana nampitomboina ireo isa mba hahafahana mangala-bato, raha ny heviny. Ahiana izany ny lisitra matoatoa. Misy ny ahiahinay satria ny CENI amin’izao dia efa misy mpikambana tao anatin’ny CENI-T tamin’ny endriny voalohany tamin’ny tetezamita, izay vao nisolo ny CENI notarihin’ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Atallah Beatrice. Manahy izahay sao dia efa misy ihany ny fifanarahana na fifidianana sahady ny CENI ao anatin’ny fampiasana sy ny fiaraha-miasa amin’ny olona efa teo tamin’ny andron’ny tetezamita, hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo, ary misy kandida manana tombontsoa amin’izany. Nilaza ny OIF fa nahita tsy fahatomombanana hatrany amin’ny 1 tapitrisa, ary nahita fiverimberenana anarana 12 000. Raha ireo iray tapitrisa mahery ireo kanefa ny lisi-pifidianana tsy azo kitihina, dia ireo izany tsy afaka ny hifidy. Tokony hosokafana aloha ny lisitra, ary mila andraisana fepetra manokana, ary mila mangarahara ihany koa ny mikasika ireo biraom-pifidianana, hoy hatrany i Fanirisoa Ernaivo. Milaza ny hamondrona ireo kandida izy amin’io lafiny io. Nasiany resaka ihany koa ny sata ara-pitondrantenan’ny kandida, izay nambarany fa tokony havadika ho lalàna izy io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.