Anio amin`ny 8 ora maraina no hisokatra ny fandraisana an`ireo antontan-taratasin`ireo maniry hilatsaka hofidiana filoham-pirenena amin`ity fifidianana 2018 ity etsy amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Ambohidahy.
Araka ny didim-panjakana, lah. 2018- 644 izay nivoaka ny 06 jolay lasa teo izay namariparitra ny fomba fanomanana ny fifidianana dia ny mpirakidraharaha eo anivon`ny HCC no handray ireo antontan-taratasy ireo. Andrasana ny fametrahana ireo antontan-taratasin`ireo izay vonona handray anjara amin`ny fifidianana ho filoham-pirenena. Matetika ireo kandidà mametraka ny taratasy amin`ny andro voalohany na koa amin`ny andro farany no tena misarika ny sain`ny olona. Tsy misy kosa idiran` ny filaharana ao anatin`ny biletà tokana ny fametrahana dosie satria amin`ny alalan`ny antsapaka indray no hanatanterahana azy. Ireo kandidà ho tonga amin`izao voalohany izao dia hanome toky an`ireo mpanohana azy na ireo mpifidy amin`ny fahavononany hirotsaka hofidiana filohan`ny Repoblika. Fepetra 15 no takiana ao ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no ho tompon-kevitra farany amin’ny fahafahan'ny kandida iray milatsaka na tsia. Hatreto roa-polo mahery kely no efa azo antoka fa hirotsaka ho filoham-pirenena ary hihoatra an`izany izany isa izany mandrapaha tapitry ny fe-potoana amin`ny 21 Aogositra ho avy izao.Ny sabotsy 26 Aogositra ho avy izao kosa hivoaka ao anatin`ny gazetim-panjakana ny anaran`ireo izay mahafeno fepetra ka afaka hirotsaka. Kihon-dalàna ho an`ny firenena iray ny fanatanterahana fifidianana ka antenaina fa hafana ny toedraharaha politika eto amintsika manomboka anio.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.