Namoaka voka-pifidianana vonjimaika ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny sabotsy lasa teo ary miandry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy.
Mazava ny voalazan’ny lalàna 2018-009 mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena, izay milaza fa ny fitoriana atao mahakasika ny pitsopitson`ny fifidianana sy amin`ny fanisam-bato dia tsy maintsy atao roa (2) andro aorian`ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan`ny CENI. Raha ny vaovao eo anivon`ny HCC mantsy dia miisa folo ireo kandidà nametraka fitoriana fanafoanana fifidianana. Marobe ihany koa ny fitarainana voarain`ity fitsarana ity mikasika ireo tsy fahatomombanana nialoha, nandritra sy taorian`izay latsa-bato izay. Midika izany fa misy ny tsy fahatomombanana tamin`ny fifidianana, tamin`ny ankapobeny. Maro ireo zavatra azo kianina nataon`ny SRMV na ny teo anivon`ny CENI. Be dia be rahateo ny fanakianana na talohan’ny fifidianana, na nandritra ny fampielezan-kevitra na taorian`ny andron’ny fifidianana fihodinana voalohany. Ny mpitsara ny fifidianana filoham-pirenena dia ny HCC ihany, ka eny no apetraka ny fitoriana sy ny porofo mazava mahakasika ny lesoka rehetra toy ny lisi-pifidianana, biraom-pifidianana, izay zavatra tsy tomombana tamin’ny andron’ny fifidianana, fitsipahana voka-pifidianana avy amin`ny biraom-pifidianana sasany na avy amin`ny SRMV, ny tsy fanekena ny fomba fiasan`ny CENI… ka amin`ny alalan`ny didim-pitsarana no hamoahan’ny HCC an’izay. Raha ny vokatra hita dia tsy maintsy miditra amin`ny fihodinana faharoa ny firenena amin’ny 19 desambra ho avy izao, ka manana sivy (9) andro, nanomboka tamin’ny sabotsy lasa teo ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hamoahana izany faran’izay haingana, izany hoe : ny 27 novambra ho avy izao. Nanao ranolava ny fanaterana fitakiana ho fanafoanana fifidianana tonga eny amin’ny HCC ary hifarana anio amin’ny 12 alina ny fe-potoana hahafahana mametraka fitoriana sy fitarainana eny anivon’ity Fitsarana ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.