Nisolotena ny firenena Malagasy tamin’ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina (UA) tany Addis-Abeba Ethiopie ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao sy ny delegasionina tarihiny ny andron’ny sabotsy 17 novambra lasa teo.
Nandray anjara tamin’ny fivoriana mikaton-tranon’ireo filoham-panjakana sy governemanta anatin’ny UA, ka anisan’ny nivoitra ny fanavaozana ara-drafitra ao anatin’io UA io. Niompanan’ny adihevitra ny hanenana ireo Kaomisera 8 ho lasa 6, izay ao anatin’ny fanajana ny fifandanjana ara-paritra sy fifandanjan’ny isan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny andraikitra miampy teboka maromaro mikasika ny asan’ireo Kaomisera Afrikanina. Eo ihany koa ny fampitomboana ny latsakemboka ho an’ny mpikambana, izay hivoizana ny tanjona lehibe dia ny tanjaka ara-bola hialana amin’ny mety ho fiankinan-doha lava amin’ny vondrona matanjaka tahaka ny Eoropeanina. Nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny COMESA Chileshe Mpundu Kapwepwe, izay niresahana ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny maha filoha mpitarika an’izany ny fanomanana ny fanatanterahana ny Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny “Economie Bleu”, izay vinavinaina hatao any Nairobia Kenya. Sokajiana ho filamatra amin’izany i Madagasikara amin’ny politika ankapobeny sy ny politika amin’ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina ho hery lehibe ho amin’ny fampandrosoana. Nihaona ihany koa tamin’ny filoha Ivorianina Alassane Ouattara, Ny Filoha Namibianina Nage Geingob, ary ny filohan’i Tchad Idriss Déby ihany koa niresahana manokana ny fifidianana natao teto amintsika, izay niarahaban’izy ireo zotram-pififidianana teto. Eo anatrehan’ny fanahiana hosoka izay misy kandida mivoy izany, dia nambaran’i Rivo Rakotovao fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary manaja ny andrim-panjakana mahefa misahana ny fifidianana, ary faritan’ny lalàna mazava tsara ny antanantohatra arahina mikasika ny fifanolanana ara-pifidianana. Raha tsy misy ny fiovana dia any Egypte no hatao ny fivorian’ny UA manaraka, ka anisan’ny horesahina ny Indostria lovain-jafy aty Afrika, famoronan’asa ho an’ny tanora,… ka ny filoha Malagasy vaovao hofidiana eo no heverina fa hiatrika izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.