Politique

Fifanolanan’ireo andrim-panjakana roa Fandaniam-bolam-bahoaka hafa indray ?


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Mitohy hatrany ny fandroritana ny raharaha mampifanolana ireo andrim-panjakana roa mpanao lalŕna sy mpanatanteraka na dia efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana aza ny taratasy fiampangan’ireo

 

solombavambahoak’i Madagasikara ny filohan’ny Repoblika ho manitsakitsaka ny Lalàna fototra sy ny dosie fiarovan-tenan’ity farany. Tanjon’ireo mpifanandrina amin’izany ny samy miezaka manamarin-tena eo anatrehan’ny fiarahamonina. Fitaovana ampiasain’ny an-daniny sy ny an-kilany ny fahaizana mikirakira vaovao handresen-dahatra ny mpiara-belona. Eo ihany ny fampitenenana ireo vondrona na sokajin’olona mpikaramanady mitonona ho mpanohana ny Fiadidiana ny Repoblika na koa ny Antenimieram-pirenena. Izao indray dia samy manana ny mpisolovava azy ireo ireto andrim-panjakana roa ireto. Ny zava-misy tsy azo lavina anefa dia vola avokoa no mihodina ao ambadik’io disadisa mampifanolana ireo sokajin’olom-boafidim-bahoaka ankehitriny io. “Dia aiza ho aiza amin’izay izany ilay hoe fiarovana ny tombontsoan’ny Malagasy 22 tapitrisa izay toa lasa litania fotsiny ?”, hoy ny resaka heno eny anivon’ny fiarahamonina.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT