Politique

Fifanolanan’ireo andrim-panjakana Hampitarazoka indray ny fanarenana an’i Madagasikara


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Mampanahy ny fizotran’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny izay hisian’ny fifanolanana eo amin’ireo andrim-panjakana roa samy voafidim-bahoaka dia ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena.

 

 Ho very maina avokoa ireo ezaka nisasaran’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona mahery raha mitohy izao trangan-javatra mampalahelo sy mahamenatra eto amin’ny firenena izao, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Atallah Béatrice. Manan-danja ho an’ny firenena Malagasy anefa ity volana jona 2015 ity. Tokony hivoaka amin’ity volana faha-6 ity mantsy ireo bolongam-bola fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ho fanarenana an’i Madagasikara. Fepetra fototra takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ahafahana misitraka ireo fanampiana avy amin’izy ireo moa ny fanjakan’ny filaminana sy ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara. Maro ihany koa ireo fivoriana iraisam-pirenena tsy azon’ny firenena Malagasy ialana toy ny fihaonana tampon’i Frankofonia hampiantranoantsika amin’ny volana novambra 2016. Hampitarazoka indray ny fanarenana an’i Madagasikara ny fambolena korontana amin’izao vanim-potoana izao raha tsy voalamina haingana, araka ny fanazavan-dramatoa lehiben’ny diplaomasia Malagasy.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT