Hifarana anio talata 21 aogositra ny fe-potoana farany hahafahan`ireo kandidà hametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Hanao ranolava ny fanaterana dosie eny amin`ny HCC satria toa fomba mahazatra fanao eto amintsika rahateo ny miandry fotoana farany.
Hatreto dia efa maherin’ny 28 ny isan’ireo kandidà efa nametraka ireo antontan-taratasy ireo ary tsy latsaky ny dimy no mbola hanatitra izany etsy Ambohidahy. Raha ny fantatra dia anio no hanao ny dingana voalohany i Alain Mahavimbina izay olon`ny amiraly Didier Ratsiraka saingy hirotsaka amin`ny antoko politika Gasikara Antsika Rehetra. Manampy azy ihany koa i Mamy Raharimanana, kandidan`ny antoko MAEVA. Hanatitra ny antontan-taratasy ihany koa ny kandidàn`ny antoko AREMA izay tsy iza fa ny Filoham-pirenena teo aloha, Dider Ratsiraka. Misy ihany koa ireo kandidà nanambara fa hirotsaka hisedra ny safidim-bahoaka saingy tsy tonga tetsy amin`ny HCC toa an`i José Vianey, Eric Rajohnson, Orlando Robimanana,… Andrasana ihany koa ireo tsy nilaza nivantana fa ho kandidà toa an`i Jean Max Rakotomamonjy, filohan`ny Antenimieram-pirenena, Mahafaly Solonandrasana Olivier izay praiminisitra farany teo, Krodo Jean Felicien … Mbola hisy kosa ny sivana ataon`ny HCC an`ireo kandidà tsy nahafeno fepetra ka amin`ny 26 aogositra ho avy izao no hivoaka ny lisitra ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahina ny 7 novambra ho avy izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.