Politique

Fifandraisana amin’i Madagasikara Mailo ny Amerikanina


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Mbola mailo amin’ny fifandraisany amin’i Madagasikara i Etazonia, ka na dia nambara iray volana lasa aza izay fa efa hisy ny masoivoho vaovao asolo an’i Niels Marquardt izay nandao an’i Madagasikara efa 5 taona lasa, dia mbola mpiraki-draharaha (chargé d’affaires) ihany aloha no notendrena hitantana ny masoivoho

Amerikana eto amintsika.Omaly maraina no norasin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha Atoa Stephen Anderson mpiraiki-draharahan’ny masoivoho Amerikana vaovao eto amintsika ary hiasa eto mandritra ny 3 taona.Kabary sy fomba firesaka diplaomatika no sisa ambiny : ny fiarahabana ny filoha sy ny fanamafisana fa hanohy ny tetikasa fanohanana ny lafiny ara-tsosialy to Madagasikara i Etazonia ka hanolotra vola 163 miliatra ariary isan-taona, zavatra efa nataony nandritra ny fitondrana tetezamita ihany izany, ary porofo mivaingana fa tsy mbola marisika ny hampiasa volabe eto aloha ny Amerikanina.Tsy nisy resaka mihitsy nandritra ny fihaonana teny Iavoloha omaly ny AGOA, fampanantenana ny fanohizana ny asan’ireo « peace corps » no noresahana.Tsara ho marihana fa efa mpanolotsaina voalohany tao amin’ny masoivoho Amerikanina teto Madagasikara ihany i Stephen Anderson izao voatendry ho mpiraiki-draharaha izao, mandra-panendrena ny masoivoho vaovao, izay raha ny fantatra dia mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny kongresy Amerikanina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT