Politique

Fifanatrehan’ny kandida Matotra Ravalo, nikoropaka Rajoelina


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Ny fanonganam-panjakana no tsy naha afa-bela an’i Madagasikara, ary lasa ohatra ratsy taty Afrika i Madagasikara. Voafidy ara-demokratika in-droa aho, saingy tonga Rajoelina nanongana.

 

 Nanapa-kevitra tsy hankato an’i Andry Rajoelina ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny SADC, Vondrona Eoropeanina, ny Amerikanina .... Tsy nilaza afatsy ny zavatra marina sy mahitsy tato am-poko aho. Zava-dehibe ny fifidianana fa ny mpifaninana dia ny mpanangana sy ny mpandrava ka anjaranareo no misafidy, hoy i Marc Ravalomanana nandritra ilay adihevitra tao amin’ny TVM omaly. Nampiseho ny tarehimarika momba ny fiakaran’ny harinkarena, ary nitotongana taorian’ny fanonganam-panjakana 2009. Nampiseho ny fiakaran’ny tahan’ny fanaovana kolikoly, izay lasa tompondaka isika. Toa nanova resaka Rajoelina teo anatrehan’izany fa tsy dia nanan-kambara firy. Tsy nampoizin’ny maro ny nilazan’i Marc Ravalomanana fa nanome 5 miliara anao aho, ary ianao sy Ratsirahonana no noraisiko teny Ambohitsorohitra, izay tsy levon’ny vavonin’ny Filohan’ny tetezamita teo aloha satria anisan’ny reharehany ny hoe nanangana ny Lapan’ny tanàna. Nilaza fa in-dray ihany no nihaona tamin’i Marc Ravalomanana fony ben’ny tanàna, saingy misy ny sary maromaro miparitaka toa mandiso izany. Zava-dehibe ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ka dia hireharehan-dRajoelina ny hoe nahavidy angidim-by 3, efa nanafatra manampahaizana avy any ivelany,…  Tsy azo sangisangiana sy hitondrana olona avy any ivelany hanao “demonstration” ny mpitandro ny filaminana Malagasy, hoy ny an-daniny, ary mbola nampiany fa tsy maintsy miaraka foana ny fandriampahalemana : ara-bola, ara-toekarena, mpamatsy vola, fanjarian-tsakafo …  Avy aiza ny vola, hoy Marc Ravalomanana mantsy ny vola nividianan-dRajoelina zavatra na hanaovana ny fitsinjaram-pahefana izay toa tsy takany ny fipetrapetrak’izany ao anatin’ny programan-dRavalomanana, saingy karazana valy boriaingina hoe: hainay ny mampiasa ny vola eo am-pelatananay. Ny vondrona Eoropeanina efa vonona ary tsy vola kelikely io, hoy kosa i Marc Ravalomanana amin’ny resaka fitsinjaram-pahefana sy ny tetikasany. Firenena ao anatin’ny firenena mikambana i Madagasikara, ary voafehin’ny fanatontoloana. Tany amin’ny Vondrona Eoropeanina dia nanome toky izy ireo fa hanao ny lalana, toha-drano … ny BADEA, ny vondrona Eoropeanina … ary ny “manifesto”, dia niainga teto, ary nentiko tany Washington, Bruxelles tsy maintsy haseho fa mahay miara-miaina amin’ny vahoaka. Ny mpamatsy vola efa miandry fotsiny satria efa nisy ny MAP 1, fa tapaka tamin’ny fanonganam-panjakana ka tapaka indray, ka hotohizana. Ny ahy tsy vola tany amin’ny amin’ilay “bois”, hoy izy, toa te hiresaka ny fanondranana boaderozy. Ao anatin’ny fahasahiranana isika, ary ilaina ny fifandresen-dahatra, ary raha haka vola dia tsy hamerina an’izany na iraimbilanja aza ny vahoaka Malagasy, raha ny nambarany.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT