Politique

Fifanatrehana farany Very lavitra Rajoelina


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Nambaran’i Marc Ravalomanana nialohan’ny adihevitra tamin’ny haino aman-jerim-panjakana, fa mahita fitanilana ataon’ny minisitry ny atitany izay marihina fa amin’ny MAPAR izy araka ny zavatra hita tany Fianarantsoa, Farafangana,…

 

 

Io ny minisitry ny atitany io no miady mafy hampandany an-dRajoelina, raha vantanina ny tian’i Marc Ravalomanana hambara satria manery ny mpiara-miasa eo ambany fiadidiany. Raha tena ho azo antoka na “crédible” ity fifidianana dia mila mangaraharaha ka manao antso avo amin’ny Filoham-panjakana sy ny Praiminisitra izy handray fepetra, fa raha mbola io ny Minisitry ny atitany, dia tsy rariny.  Tsy maintsy lalàmpanorenana hanome fahefana ny filoha hanatanteraka ny fampandrosoana, ary izay no nahazoana 7,5% ny toekarena, hoy i Marc Ravalomanana. Ny tsy nampandroso teto dia ny tsy fahaiza-mitantana, kolikoly,… Tsy mety ny fanonganam-panjakana izany, ary azo atao foana ny miresaka, hoy izy teo anatrehan’ny fanadiovan-tenan-dRajoelina milaza fa hetsi-bahoaka ny tamin’ny 2009. Rehefa lany filoha, dia miankina amin’ny filan’ny vahoaka ny governemanta, ka izay olona manana ny fahaiza-manao no ho raisina. 700 tapitrisa dolara isan-taona no hampiasaina ary efa mampanantena ny mpamatsy vola. Nomarihiny, fa finoana ny ahy vao asa, ary ny finoako an’Andriamanitra dia mitondra fahasoavana. Ny voaloham-pahendrena dia ny fahatahorana an’Andriamanitra, hoy i Marc Ravalomanana teo anatrehan’ny lohahevitra tsy fifangaroan’ny fahefam-panjakana sy ny fitantanana ny firenena na ny “laïcitié de l’Etat”, izay hajainy.

Kepoka Rajoelina

 Nireharehan-dRajoelina ny hoe: na tsy nahazo famatsiam-bola aza, dia nahavita nanao zavatra sy nanodina firenena. Rehefa tsy nahazo vola ianao, hoy i Marc Ravalomanana dia taiza no nahazoanao vola? Tany amin’ny vola Wisco sa vidin’ny raopilanina Air Force One? Nankaiza ny vidin’ny boaderozy? Ianao nahavita nanangona volabe nefa milaza tsy handray karama tsy mba henjehin’ny eritreritra ve? Tena tsy nanan-kavaly na kely aza fa nandrirarira resaka i Andry Rajoelina, ary kepoka tanteraka. Nanova resaka tamin’ny any amin’ny raharaha 7 febroary, saingy nazava indray ny valin-kafatra hoe: ho hita eo ny marina satria notsiahivin’i Marc Ravalomanana ny fisian’ny porofo nikotrehana ireny, ary misy rahateo ny horonantsary milaza fa : tsy maintsy manao «mise en accusation» na fanamelohana an’i Marc Ravalomanana. «Lazaina, ohatra hoe Ravalomanana ‘criminel’ (mpamono olona) na koa Ravalomanana ‘traître’ (mpamadika tanindrazana)», hoy ireo mpanao politika niara-niketrika ny 7 febroary tamin-dRajoelina nahitana an-dry Harinaivo Rasamoelina, Roland Ratsiraka, Augustin Andriamananoro,… ka tampina indray ny daomy teo. Mikasika ny “îles éparses” na ireo nosy kely voalaza fa an’i Madagasikara kosa dia: "fifanarahana iombonana miaraka amin'ny ONU no tsy maintsy atao.Tsy maintsy resahantsika koa ireo nosy aty amin'ny ranomasimbe Indiana. Tsy amin'izao isika marefo (faible) be izao no hifampiraharaha amin'io fa mila matanjakana tsara aloha fa tsy maintsy azontsika io, hoy i Marc Ravalomanana. Valin-teny mafonja mitaha amin’ny hoe:: " efa tamin'ny 2012 izahay no niresaka an'io tany amin'ny ONU, nitarika izany ny praiminisitra Camille Vital, fa...ho resahantsika amin'ny fotoana maha mety azy io...", hoy Rajoelina. Voaporofo ny fahamatoran’i Marc Ravalomanana eo amin’ny programan’asa: fampianarana, fitsaboana, fandriampahalemana,… fa tsy mampanonofy, ary tsikaritra ho mpivadibadi-dela Rajoelina raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe hanafoana ny antenimieran-doholona avy eo milaza fa tsy hanao izany indray. Ny hopitaly manara-penitra mbetika maimaimpoana, mbetika tsy maimaimpoana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT