Nisy ny fivoriana niarahan'ny CENI tamin'ny ORTM sy ny mpanentana ny fandaharana, ny solontenan'ny kandida roa tonta, ary ireo solontenan'ny
fiarahamonim-pirenena ho fanatsarana ny adihevitra ifanatrehan'ny kandida Ravalomanana sy Rajoelina rahampitso alahady 16 desambra manomboka amin'ny 8 ora alina mivantana amin'ny TVM sy RNM. Tsy misy mahazo mitondra na inona na inona (na tahirinkevitra taratasy na tahirinkevitra elektronika) fa tanam-polo ny kandida roa tonta, saingy manana zo hangataka amin'ny CENI taratasy fotsy sy penina raha toa ka ilainy izany. Noferana ho 27 isa ny mpomba ny kandida tsirairay avy, afaka hanatrika mivantana ny adihevitra. Ireto avy ireo lohahevitra horesahina : Tetikasa sy vinam-piarahamonin'ny kandida, dia ny lafiny politika : firafitry ny governemanta, fampiharana ny fahefana, ny îles éparses, ady amin'ny fahantrana, ady amin'ny kolikoly, fampihavanam-pirenena, ny tsy fampifangaroana ny ara-pivavahana sy ny ara-pitantanam-panjakana). Mety hivoaka ao ve ny resaka 7 febroary ? Ny volabe tao amin’ny Banky Foibe ? Ny vidin’ny Air Force One ? Ny vidin’ny vy tany Soalala ? Ny lafiny ara-toekarena kosa dia: politikam-pitantanam-bola, fananan-tany, fambolena sy fiompiana, fampananan’asa. Lafiny sosialy sy fiarahamonina: fanabeazana, miralenta, ny fanambadian'ny lahy sy ny vavy, fiahiana ara-tsosialy, fahasalamana, rano fisotro madio. Ny lafiny kolontsaina sy fanatanjahantena, Lafiny ara-tserasera sy fizaram-baovao (média). Ny laharana faha-13 no miteny voalohany ary ny laharana faha-25 no mamarana ny fitenenana, nifamadika tamin'izay nitranga tamin'ny adihevitra voalohany. Anisan’ny niteraka adihevitra ny fampiasana finday nataon-dRajoelina ny 9 desambra teo. Tsy hisy intsony izany eto fa ny saina no hiasa ary inoana fa hangotraka kokoa noho ny teo aloha. Raha ireo lafin-javatra ireo no hifampitsarana tamin’ny nitantanan’ny an-daniny sy ny an-kilany ny firenena, dia very lavitra i Andry Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.