Ny alarobia lasa teo, samy nisantatra ny adihevitra mivantana ataon`ny mpomba azy ireo mandritra ny 45 minitra ireo kandidà hifaninana ho filohan`ny Repoblika.
Adihevitra enina no anjaran`ireo mpifaninana ka ny roa dia hatokana ho an`ireo kandidà roa nahafeno fepetra amin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena, amin'ny TVM sy RNM. Ity fepetra vaovao ity dia ampahany amin'ny fanamafisana ny fifandraisana mandritra ny fihodinana faharoa. Ny adihevitra roa izay hatrehan`i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana dia hatao ny alahady 9 sy 16 desambra izao. Eo anelanelan'ireo dia misy efatra hafa. Ankoatra ny fanazavana ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena amin'ny fandaharan`asan`ireo kandidà roa dia manantena fanazavana misimisy kokoa na ampamoaka mihitsy aza momba ny krizy 2009 ny rehetra. Efa maro ny resaka nivoaka, tsy tambo isaina ny adihevitra. Mety efa samy niresaka momba iny na i Marc Ravalomanana na i Andry Rajoelina na koa ireo mpiara-miasa amin’izy ireo, saingy amin’ity indray mitoraka ity vao tena hifanatrika ary handeha mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana ary ho hita sy ho ren’ny Malagasy izy ireo. Nosomparana aho ary tsy navela namita hatramin’ny farany ny fandaharanasako ho fampandrosoana ny firenena. Nampitahorina ary tena nampiasana fitaovam-piadiana, hoy i Marc Ravalomanana. Aminy dia tena fanonganam-panjakana nataona vondron’olona iny. Etsy an-kilan’izay, manizingizina i Andry Rajoelina fa nitarika tolom-bahoaka ary efa tsy tian’ny Malagasy intsony ary efa naloany mihitsy i Marc Ravalomanana. 9 taona aty aoriana anefa, hifanandrina amin’ny fihodinana faharoa ny roa tonta, izany hoe samy nahazo ny isam-bato ambony indrindra. Porofo hita maso nandritra ny 3 taona tamin’ny fivezivezeny nitety faritra fa mbola mamy hoditra amin’ny Malagasy i Marc Ravalomanana. Inona ary ny tena marina ? Andrasana ny fifanatrehana eo amin’ny roa tonta ka ho hita eo izay tena manan-kevitra sy mahazaka adihevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.