Politique

Fifanarahana politika Tsy maintsy vita mialoha ny zoma ?


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Hikarakara fihaonana an-tampony eny amin’ny CCI Ivato anio alakamisy 31 mey manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM), araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly.

 

 Tonga ny fotoana hiantsoana ireo ankolafin-kery politika rehefa hidinika an-databatra boribory. Samy nahazo fanasana daholo izy ireo ary nantsoina ihany koa ny filoham-pirenena am-perinasa sy ireo filoha teo aloha. Fanirianay mafy ny hahatongavan’izy ireo, hoy i Maka Alphonse, filohan’ny CFM. Hetsika natao ho fanatanterahana ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sady efa tao anatin’ny tetiandron’ny CFM izao fampihaonana izao ho fikaroham-bahaolana amin’ny krizy, hoy hatrany ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Efa nisy ihany koa ny fihaonan’ny CFM tamin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy momba ny paikady tokony hampiharina mba hikarohana vahaolana amin’ny krizy. Hamaly ny antso ve ireo vondrona politika mifanandrina dia ny HVM an-kilany sy ny TIM MAPAR an-daniny ? Ho tonga eny Ivato ka hifampiresaka ihany koa ve ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ireo filoha teo aloha Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina ? Ho vita ve ny handrafitra ilay fifanarahana politika araka ny ambaran’ny andininy faha-14 amin’ilay fanapahan-kevitra laharana faha 18-HCC/D 3 nivoaka ny 25 mey lasa teo ? Re ihany koa omaly hariva fa tsy maintsy misy ny fifanarahana vita mialoha ny zoma maraina izao. Fifanarahana tsy mbola fantatra hoe tahaka ny ahoana no mety ho endriny ?  Ny azo antoka aloha dia fifanarahana politika izy io. Hanatrika ity fihaonana eny amin’ny CCI Ivato anio ity ny fianakaviambe iraisam-pirenena manana solontena eto Madagasikara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT