Tsy nisy tonga teny amin’ny CCI Ivato namaly ny antson’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina na ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina, saingy nandefa solontena avokoa.
Ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ihany no namaly ny antso. Tanjona moa ny hitadiavana ilay fifanarahana politika, ka anisan’ny tsy azo ihodivirana ireo filoha nifanesy. Miantso ny mpanao politika ny hanatanteraka ny didy navoakan’ny HCC ihany koa, indrindra amin’ny fametrahana ny praiminisitry ny marimaritra iraisana ny CFM tamin’ny alalan’ny filohany Maka Alphonse. Toa tampotampoka ary tsy ampy fahamatorana ny fampihaonana, raha ny fanehoan-kevitry ny mpikatroka politika maro, izay nanantena ny hantsoina saingy niahaka tanteraka. Maro ny manakiana ny fomba fitondrana ny dinika isan-tsokajiny, ary tsy manaiky hatao anjorom-bala eo anatrehan’ity raharaha ity. Hatramin’ireo mpitarika ao anatin’ny FFKM no tsy nipoitra teny an-toerana ny rehetra noho ny tsy fahamatorana. Na ny fomba fiasa ivelany sy ny fanomanana na ny votoatin’ny fitondrana ilay fikatsahana fampihavanana, dia toa petatoko. Tsy hay aloha na iniana atao noho ny resaka kajikajy mihitsy na tonga amin’ilay hoe manao zavatra tsy mora, fa dia tratry ny kiana mafy aloha ny CFM. Anisan’ny nanakiana mafy ny fomba fiasan’ny CFM ny avy amin’ny MAPAR. Aoka hiara-hanapaka fa tsy ireo filoha 4 na ny depiote 73 na ny 79 ihany no hanapaka fa ny herivelona rehetra, hoy i Pety Rakotoniaina. Aoka isika rehetra samy hanana fanetren-tena ary hanompo ny fahamarinana izay dradradradraina, fahatsoarana…, hoy kosa ny Amiraly Didier Ratsiraka. Tsy io lalàm-pifidianana io ihany no olana eto Madagasikara fa io lalàmpanorenana io no tsy mety, raha ny nambarany. Efa noteneniko , hoy izy, fa misy zavatra tsy mety ao dia andao harenina. Io azo hovana io hahasoa an’i Madagasikara. Azontsika atao ny manavotra an’i Madagasikara ao anatin’ny 5 taona raha ohatra, ka miara-misalahy isika rehetra, hoy hatrany ny amiraly Ratsiraka. Ny olana mipetraka, kolikoly, fananan-tany, fivarotana tanindrazana, lalàmpanorenana, dia tsy hahafohy roa herinandro, roa volana, eny na roa taona hamahana izany ve isika, hoy ny amiraly. Mbola mandeha ny adihevitra ary ny hita aloha dia somary mikatso ny resaka fitadiavam-bahaolana. Mbola andrasana indray, ohatra, izay hafitsoky ny HCC eo anatrehan’ny fangatahana nataon’ny filoha. Ahoana ihany koa ity adihevitra be momba ny fanendrena praiminisitra ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.