Vita omaly teny Iavoloha ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha nametra-pialana Hery Rajaonarimampianina sy Rivo Rakotovao filoham-panjakana vonjimaika.
Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-46 no mamaritra fa tsy maintsy miala 60 andro mialoha ny latsa-bato ny filoha am-perinasa raha hirotsaka kandida, saingy tsy misy lalàna mamaritra mazava ny tsy maintsy hisian’ny fifamindram-pahefana. Niatrika ny lanonana moa ny ankabeazan’ny lehibena andrim-panjakana sy ny avy amin’ny FFKM ary ireo masoivoho vahiny. Fotoan-dehibe manan-daja horaiketin’ny tantara iny satria dia mitodika amin’ny hoavin’ny firenena isika, ary tsy mandrava fa manorina, manamafy, ary manatsara ny lalana efa nodiavintsika, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Mbola manana fanantenana fatratra ny tenany, izay nilaza fa teo no niandohana ary eo no mbola hanohizana. Notsiahiviny hatrany fa firenena voasazy tamin’ny sehatra samihafa na ara-diplomatika na ara-politika no noraisiny, ary 92% ny tahan’ny fahantrana fadiranovana. Lavitra ny niaingana, ary betsaka no efa vita ka aoka isika ho saro-piaro amin’izany, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Latsa-dranomaso izy teo am-pisaorana ny vady aman-janany niara-nizaka ny mangidy sy ny mamy taminy tao anatin’izay 4 taona sy valo volana izay. Na teo aza ny fihetsika niendrika alahelo dia “mandrapihaona vetivety”, hoy izy, izay mazava ny heviny fa mino ny hiverina eo. Nambarany moa fa efa nody any amin’ny tranony izy mianakavy kely nanomboka ny sabotsy maraina, fa mandainga izay milaza fa mipetraka ao Iavoloha. Tsy niala tao amin’ny ara-dalàna isika ary tsy norombahina teny an-dalambe ny fahefana fa ny lalàmpanorenana no nametraka azy ao anatin’ny fotoana voafetran’ny lalàna, hoy kosa i Rivo Rakotovao. Tsy misy mihitsy ny finiavana, hitarika, hanakorontana na hanalava an’izany fe-potoana izany. Ao anatin’ny fanarahan-dalàna no hamitana ny iraka, izay tsy ho vitany samirery araka ny nambarany fa eo ny governemanta tarihin’ny praiminisitra, ny parlemanta hiaraka hanaja ny lalàna. Andao isika ho fitaratra hahafahan’ny olona mahafantatra fa olona mahafantatra tsara ny finiavany ara-politika sy ny asa aman-draharaha izay nametrahan’ny vahoaka azy ny olona mpitantana azy, hoy i Rivo Rakotovao, izay hitondra ny baolina. Iza izany no hamindra ny fahefana amin’ny filoha vaovao ho lany eo raha tsy i Hery Rajaonarimampianina ilay izy ? Izy izay voafidim-bahoaka sa ny nisolo toerana azy izay notendrena ? Ahoana ny resaka sary any anaty biraom-panjakana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.