Politique

Fidy mpanentana Hosamborina ato ho ato ?


  • Talata 10 Martsa 2015

Nanaitra ny maro tokoa ny zava-nisy nolazain’i Fidy mpanentana tamin’ny haino aman-jery samihafa tamin’ny herinandro lasa teo mahakasika ny raharaham-pirenena mifamahofaho eto amintsika ankehitriny. Nambarany fa misy zava-miafina sy hafenina tokony ho fantatry ny vahoaka mikasika an’io

 

fampihavanam-pirenena ataon’ny FFKM io. Nolazainy koa fa ny mahatonga  ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny vahoaka malagasy tsy tafavoaka anaty krizy sy tsy afaka olana tahaka izao dia noho ny tsy fahalalan’ny mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana ary ny vahoaka malagasy rehetra ny fototry ny aretina eto Madagasikara. Ny famantarana ny antony nahatonga an’Atoa Andry Rajoelina nanongana an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009. Zava-miafina tsara ho fantatry ny vahoaka koa, hoy i Fidy mpanentana, ny dikan’ny lamba volon-doranjy nosaloran-dRajoelina nanomboka tamin’ny taona 2008 sy 2009. Mbola zava-miafina tokony ho fantatry ny vahoaka koa ny nahatonga an’Atoa Hery Rajaonarimampianina ho lasa filoham-pirenen’i Madagasikara ary farany dia tokony ho fantatry ny mpiara-belona koa ny zava-miafina mahakasika ny fiafaran’ny fanambarana nataon’i Pasteur Mailhol. Nilaza mazava i Fidy mpanentana fa raha tsy ireo zava-miafina ireo no fantatry ny vahoaka malagasy dia tsy hisy vahaolana mihitsy fa ao anatin’ireo no fototry ny aretina misy eto Madagasikara. Tsy nisy radio na tele na gazety an-tsoratra sahy nanoratra an’ireo zava-miafina voalaza teo ireo, hoy  i Fidy mpanentana, ka nanery ahy handrakitra  izany ao anaty VCD sy DVD izay haparitaka manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny 25 martsa ho avy izao. Raha ny zava-misy tsapa tany amin’ireo toerana nandalovan’ity voalaza fa mpaminany ity dia fantatra fa maro ireo tsy mahatanty an’ireo zava-nambarany ireo.  Ka mandeha indray izany izao ny tombana hoe : mety hosamborina indray ve izany i Fidy mpanentana ?

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT