Politique

Fidirana ho mpikamban’ny CENI Kandida 26 no efa manana solontena


  • Zoma 14 Septambra 2018

Nanatanteraka fivoriambe voalohany omaly ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) amin’ny endriny vaovao,

 

ikambanan’ny Birao maharitra sy ny Birao tsy maharitra dia ny solontenan’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Miisa 7 ireo solontena maharitra ireo ary hiampy 36, raha samy mandefa ny solontenany avy ireo kandida. Natao io mba hanarahana andininy faha-30n’ny lalàna laharana faha 2015–020 mikasika ny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fandaminana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana. Tao anatin’izany fivoriana izany ary no nanambara ny Filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana fa « midika fahavononana sy hampangarahara ny zotram-pifidianana eto Madagasikara ary hampitombo vaika ny fanatanterahana ny fifidianana ho avy ny fahatongavan’ireo solontenan’ny kandida ireo izay hiray lalana amin’ny CENI ao anatin’ny fitohizan’ny zotram-pifidianana ». Marihina fa 26 amin’ireo kandida 36 aloha hatreto no efa nanolotra ny solontenany. Hanara-maso ny fitondràna ny fifidianana, hanolo-kevitra ary hanazava amin’ny kandida tsirairay izay soloany tena no andraikitra apetraka amin’izy ireo. Nampahafantarina nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny tetiandro mifehy ny fizotry ny fifidianana ary novelabelarina ihany koa ny asa efa vita sy ny asa miandry. Andrasana raha hitondra filaminana sy hampisinda ny karazana ahiahy izao dingana izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT