Ny 28 novambra 2018 ho avy izao, amin`ny 10 ora maraina no hamoaka ny didy mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Nandritra iny herinandro iny, maro ireo savorovoro misy eo anivon`ny tontolo politika ary misy fiantraikany mivantana any amin`ny olo-pirenena izany. Misy ireo mivoy adim-poko, fanafoanana fifidianana… Ny fiverenana ifotony amin`ny soatoavina Malagasy, ny fihavanana, ny fahaizana miara-monina, ny fifanajana, indrindra ny fanekena amin`ny tsy fitovizana safidy no tokony himasoan`ireo mpanao politika sy ny olom-pirenena. Tsy tokony hisy faritra na fokontany na kaominina mirona hisafidy kandidà iray na hafa dia milaza fa misy ny fanavahana. Misy mpanao politika ary ny sasantsasany amin`ny mpanao gazety no mivoy an`izay kanefa efa nilaozan`ny toetrandro. Mila miandry ny voka-pifidianana ao anatin’ny fitoniana ny vahoaka Malagasy satria misy rafitra mahefa napetraky ny lalàmpanorenana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.