Politique

Fiatrehana ny fihodinana faharoa Vonona hanarina ny lesoka ny CENI


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Nodidiana ny eo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ireo kandidà mba hijery ireo fandaminana mba hanala ireo ahiahy samihafa izay hita nandritra ny fihodinana voalohany momba ny fikirakirana ny fifidianana.

 

 

 

Nanazava hatrany ny filoha lefitry ny CENI, Philbert Hervé Andriamanantsoa fa tsy nifanalavitra ireo vokatra navoakan`ity vaomieram-pirenena ity sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Midika izany, hoy izy fa tsy misy ny olana tamin`ny fikirakirana  izay nataon`izy ireo satria nanisa vato manokana mihitsy ny teo anivon`ny HCC ary tsy nijery ny vokatra navoakan`ny CENI Madagascar. Hiditra amin`ny fihodinana faharoa ny fifidianana filoham-pirenena. Mahakasika ireo lesoka tamin`ny fihodinana voalohany dia nisy ny fanadihadiana ary fepetra maro no horaisina hanatsarana azy. Mahakasika ny rindram-baiko dia nanantitrantitra i Philbert Hervè Andriamanantsoa fa  misokatra foana ny CENI. Nohamafisiny fa nanana ny rindram-baikony manokana ny HCC sy ny CENI kanefa voka-pifidianana mitovy no navoakany, izany hoe tsy tany amin`io lafiny io ny olana. Vonona hiara-kiasa amin`ny  kandidà sy ireo mpanara-maso amin`ny fifidianana ity vaomiera misahana ny fikarakarana ny fifidianana ity mba ahafahana miantoka ny mangarahara ny fifidianana. Hanamafy ny fanabeazana olo-pirenena izy ireo indrindra eo amin`ny biletà tokana mba tsy hisian`ny vato maty be loatra sy mba hiantohana ny safidy marina ny mpifidy ka hisy ezaka manokana miaraka amin`ny vondrona afrikanina izay hanao fanentanana. Miomana ny CENI amin`ny fanotana tahirin-kevitra (impirmès sensibles) izay atao atsy Afrika Atsimo. Mahakasika ny fanalana olona eo anivon`ny CENI dia tsy misy antony manokana nandraisan`izy ireo fanapahan-kevitra tamin`ny fandroahana mpiasa fa fanatsarana ny asa. Misy mpiasa tsy nanaja ny fitanilana ka nisy fitarainana nataon`ireo kandidàa; Nisy ihany koa ireo tandrevaka ka nandraisana fepetra avy hatrany, hoy hatrany izy.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT