Miantso ny olom-pirenena ho tony ny vaomiera misahana ny fikarakarana ny fifidianana amin`izao ankatoky ny fifidianana izao ka manentana ny olona hanefa ny adidiny amin`ny 7 novambra ho avy izao.
Na dia eo aza ny olana mahakasika ny lisi-pifidianana dia manome toky ny CENI Madagascar fa fifidianana madio sy mangarahara no atao ary heken`ny rehetra izay vokatra mivoaka eo. Araka izany, miantso ny rehetra ny CENI mba hiray hina amin`ny fanatanterahana ny fifidianana tsy misy korontana ary tsy mitanila ihany koa. Miantso ireo tompon’andraiki-panjakana mba hanaja izay manodidina amin`ny fifidianana. Nanamafy ny filohan`ity rafi-panjakana ity, Hery Rakotomanana, fa azo jerena sy tsidihana ao amin`ny tranokalam-pifandraisan`ny CENI ny biraom-pifidianana manerana ny nosy. Azon`ny rehetra atao ny manamarina azy ireny ahafahan`izy ireo mandatsa-bato ny 7 novambra. Notsipihiny manokana kosa fa tsy marina ny filazana hoe misy biletà tokana mpiaritaka ary manginy fotsiny ny fangalaram-bato amin`izao. Mampitandrina ny mpanely tsaho ny CENI satria manaratsy ny lamina efa misy izany. Miantso ny rehetra izay mahita indro kely sy ny tsy fahalavorariana samihafa ihany koa ny CENI hanatona ity vaomieram-pirenena ity satria mbola misy hatrany ny fotoana hafahahana manitsy izany. Hasaina ny vahoaka Malagasy ho tonga maro hifidy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.