Politique

Fiatrehana ny fifidianana Tapafetraka ny fepetra, hoy ny SADC


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Midina an-tsehatra manara-maso ny fizotry ny fifidianana mba ho lavorary sy mangarahara ny vahiny ankehitriny. Raha ny fantatra, mankasitraka ny fikarakarana ny eo anivon`ny SADC satria efa tafapetraka avokoa ny fepetra amin`izao.

 

 Misy fenitra apetrany kosa anefa. Voalohany, ny fahafahan’ny rehetra misoratra anarana amin’ny fifidianana, ny fomba fametrahana lalàna sy fitokisana apetraky ny sampandraharaha rehetra misahana azy io. Manaraka, ny faneken` ireo olona hirotsaka hofidiana fa tsy hisy fanembantsembanana mba halalaka tsara, indrindra mba hahafahan`ny mpanohitra hilatsaka. Fahatelo, mandritra ny andron`ny fifidianana dia misokatra ara-dalàna ireo biraom-pifidianana ka tsy hosembantsembanina ny olona handeha hifidy. Manara-maso ny manodidina sao mbola misy ireo olona mampifidy na manao fampielezan-kevitra ankolaka, na mividy ny vaton`ny olom-pirenena. Manara-maso manokana ny fanisana ny voka-pifidianana, arakaraka ny vokatra azo ao anatin`ny vata fandatsaham-bato ny tena misoratra amin`ny PV. Eo ihany koa ny fitandroana ireo vokatra miainga ao amin`ny biraom-pifidianana mankany amin`ny « Section de recensement des votes » sy amin`ny CENI ary ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).  Farany, afaka manao fitakiana na fitoriana any amin`ny miandraikitra mahefa mahakasika an`izay ny olona rehetra ao anatin`ny lisi-pifidianana, ireo izay nifidy, na koa ireo kandidà sy ny solontenany. Ny tena zava-dehibe ho an`ity vondrona ity ny hoe hita soritra ao anatin`ny voka-pifidianana ny hetahetan`ny vahoaka fa tsy hoe novaina ka be loatra ny elanelan`ny isam-bato.  Marihina fa i Madagasikara, ny taona 2004-2005, no nanao sonia ny fidirana ho mpikambana ao anatin`ny SADC. Tsiahivina hatrany fa ny vondrona SADC dia tsenam-barotra hikambanana fa kosa misy fepetra takiana eo amin`ny lafiny fitantanana sy demokrasia. Izay no mahatonga ny SADC rehefa mandeha ny krizy ngeza 2009, na resaka fitantanana fifidianana 2013-2014. Mahakasika foana amin`ny fifanarahana amin`ny SADC satria ao anatin`izany fifanarahana izany dia misy ny hoe manaja ny fitondrana sy ny rafitra ary indrindra ny famindrana fahefana ara-demokratika. 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT