Politique

Fiatrehana ny fifidianana Nanolotra 500 000 euros ny Alemana


  • Talata 18 Septambra 2018

Nanolotra vola mitentina 500 000Euros hoenti-manampy an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny firenena Alemà, soloin’ny Ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara Harald Gehrig tena.

 

 

 

 Harotsaka ao amin’ny kitapom-bola SACEM izy io. Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia niarahan’ny masoivoho alemà nampian’ny Solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto amintsika Rtoa Violette Kakyomya ary ny teo anivon’ny CENI  notarihin’ny filohany Hery Rakotomanana. Antoka iray hisian’ny fitoniana sy fanamafisana ny demokrasia ny fanatanterahana ny fifidianana ary ny fivoahana ao anaty fifidianana madio dia singa lehibe hahafahana miroso amin’ny tena fampandrosoana ara-toekarena mipaka any amin’ny isam-batan’olona efa tena sahirana, hoy ny Masoivoho Alemà. Hahafahan’ny firenena miainga amin’izay, ary mety ho voalohany tato anatin’ny 60 taona io, hoy izy. Nankasitraka ny fanjakana Alemà kosa ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana, izay nanamafy fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fifidianana, indrindra ny ara-bola na dia mbola misy aza ny tsy fahampiana. Ankoatra an’i Norvezy, Etazonia, Frantsa, Soisa, Aostralia, Korea Atsimo, ny Vondrona Eoropeanina, dia i Alemaina indray izany no nanamafy ny tosika ara-bola ao anatin’ny SACEM hoenti-miatrika ny fifidianana. Ny irariana dia hangarahara araka ny fanirian’ny rehetra ny fifidianana.

 

 

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT