Politique

Fiatrehana ny fifidianana “Kikina” sahady ny kandidà sasany


  • Talata 02 Oktobra 2018

Dimy andro mialoha ny fampielezan-kevitra izao dia efa misy sahady ireo kandidà milaza fa lany vola.

 

 

 

 

 Nirobaroba mialoha ny fotoana, hany ka manao izay ho afany mitady mpamatsy vola etsy sy eroa. Araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana, nanana dimy taona izy ireo nanomanana fifidianana, indrindra eo amin’ ny lafiny ara-bola. Amin`ny fomba ahoana no hifaninanana amin`ireo kandidà lazaina ho mantajaka vitsivitsy ireo ? Firy amin`izy ireo no hitety faritra mitanisa ny programanasany. Tsy mora tokoa ny miatrika fifidianana ka mametra-panontaniana ny fahamatoran’ireo milaza hisedra safidim-bahoaka. Amin`ny ankapobeny, ny Malagasy dia tia olona mahery ary matetika mitodika any amin’ny olona manam-bola ny safidiny. Rehefa hitany fa mareforefo ilay olona dia tsy mitodika any loatra. Raha zohina, tsy niomana ireo kandidà sasany fa zava-dehibe fotsiny ny ho hitam-bahoaka hoe hirotsaka hofidiana. Ny an’ny hafa aza nijanona teo amin’ny fanangonana ireo antontan-taratasy ilaina sy anto-bola na “caution” narotsaka fotsiny dia tapitra ny serasera. Izany ve no ho filoham-pirenena ? Ahoana ny fomba hanakinana amin’izy ireo ny fitantanana ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka ? Tsy horobarobain’izy  ireo ve ny volam-panjakana ? Midika aloha izany fa tsy fahamatorana mihitsy. Hiatrika propagandy isika afaka herinandro ka ho hita eo izay tena mahery amin`ny fizarana maro samihafa toy ny vola, sakafo, fitaovana fampiasa andavanandro isan-karazany. Takalom-patsa vidim-pihinanana ity resaka ity fa tsy misy fanomezana zarazaraina fahatany eo koa. Manao asa soa mila tambiny.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT