Nanome ireo toromarika sy dingana arahina i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI),
amin’izao andro farany mialoha ny fotoana handataham-bato izao. Voalohany, tsy maintsy feno ny antontan-taratasy any amin'ny mpifidy, izany hoe mitondra ny kara-panondrom-pirenena na pasipaoro tsy lany daty na koa ny fahazoan-dalana mamily, miaraka amin'ny kara-pifidianana. Manaraka izany, manamarina ny anarana eo amin'ny lisi-pifidianana voalohany. Vita izay, manatona ny mpikambana ao anatin'ny biraom-pifidianana maka biletà tokana. Eo amin'izay biletà tokana izay dia mila fitandremana ny tsirairay, satria tsy maintsy manamarina ny sonia roa an'ireo mpikambana ao anatin' ny biraom-pifidianana. Raha vao tsy misy izay sonia izay ao an-damosin’ilay biletà tokana dia maty ilay vato. Rehefa voamarina ireo sonia roa ireo dia miditra ao anatin' ny trano fisainana na "isoloir". Marihina hatrany fa tsy azo atao ny mitondra finday na maka sary ao anatin' ny « isoloir », mba ho fanajana ny fotokevitry ny fifidianana ( secret de vote). Mba hisorohana ihany koa ny kolikolim-pifidianana. Rehefa vita ny safidy dia manatona ny vata fandrotsaham-bato ka tokony hitsangana eo ny filohan'ny biraom-pifidianana, izay manamarina ampahibemaso ny sonia roa ao an-damosin'ny biletà tokana. Tsy tokony hohadinoina ny mandalo eo amin' ny lisi-pifidianana faharoa mba hanaovana sonia ny kara-pifidianana. Vita izay, miroso farany mametraka ranomainty tsy azo vonoina eo amin’ny ankihiben-tanana an-kavia.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.