Nizara harendrina ho an’ny ankizy avy amin’ny fokontany 31 ao amin’ny Boriborintany faha-VI eto Antananarivo Renivohitra nanomboka omaly ny depiote TIM Rasoanoromalala Horace. Ankizy 3 000 avy tamin’ireo fokontany ireo no nahazo ny anjarany ka nangonina tamin’ny toerana 10 ireo mifanakaikikaiky
. Efa nahazo ny anjarany, ohatra, ny nangonina teny amin’ny Ostie Anosivavaka, Lycée Rossignol Antanety ary teny Ambohidroa ... Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny volan’ny ankizy isika, hoy Rtoa depiote, ka fampitoviana zo ny ankizy ety amin’ity Boriborintany faha-6 ity izao fihetsika natao izao. Mendrika ny hotolorana harendrina mialoha ny ankizy, hoy izy, fa maro ireo ray aman-dreny tsy hahavidy. Hetsika fanao isan-taona izao ary hisy tsy ho ela ny fiaraha-misakafo sy fizarana solombodiakoho ho an’ireo zokiolona 2 000 solontena avy amin’ireo fokontany 31 eny Ambohimanarina. Ao anatin’ny fitandroana ny filaminana tanteraka eny amin’ny Boriborintany faha-VI no nanatanterahan’ny depiote Horace sy ny vahoaka teny an-toerana ny hetsika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.