Tena ao anatin`ny fampielezan-kevitra tanteraka isika amin`izao ary samy mampiasa ny fahafahana ananany na fahefana na fitaovana na vola ireo kandidà. Hatreto, miavaka ireo kandidà matanjaka izay mitifitra hatrany ireo tanàn-dehibe na faritra na distrika io.
Mbola miady ny fankafizan`ny olona azy rehefa mitety faritra ireo kandidà voasokajy ho “favori” ireo. Mbola manao izay hahababoany faritany izy ireo amin`izao. Rehefa fifidianana toy izao dia miandry ny herinandro farany ireo kandidà mandresy lahatra ny eto an-drenivohitra. Tsy mitovy lenta mihitsy ireto mpirotsaka hofidiana ireto, indrindra eo amin`ny lafiny ara-bola. Ireo kandidà “kely” sasany aza na afisina propagandy aza tsy misy satria tsy manana ny atao hoe “base electorale”. Tsikaritra ihany koa fa tsy mbola mahafeno fepetra ny fifidianana ao anaty fitoniana. Misy hatrany fifandrangitana eo amin`ny samy mpanohana, indrindra any amin`ireo foiben`ireo kandidà eny amin ny fokontany. Samy manao izay ho afany ny olom-pirenena hanohanana ny kandidà hotohanany. Marihana fa misy karazana mpifidy miisa enina (6) rehefa miatrika fifidianana toy izao. Voalohany, misy ireo olona manohana kandidà iray na maromaro ka izay kandidà manana herijika ara-bola no tena tohanany. Manaraka izany, ireo manampahaizana na “intellectuel”. Izy ireo dia ireo olona mibaribary hatrany ny fitadiavana seza na toerana fotsiny rehefa lany ny kandidà tohanany, izany hoe ny teo ihany no teo fa makamaka sisiny. Fahatelo, misy tsy resy lahatra amin`ny fifidianana ka tsy hifidy fotsiny. Fahefatra, ireo mpanohana mafana fo be ary resy lahatra amin`ny fotokevitra. Misy indray ireo olona voavidim-bola ny safidy, izay voasokajy ho mitrongo vao homana. Manana fomba fijery hoe “ny hanina hohaniny no jereny voalohany”. Ary farany, ireo mpifidy manao “vote par elimination”, izany hoe tsy manan-tsafidy fa tia hifidy fotsiny. Ilaina ny fahendren`ny olom-pirenena amin`izao fiatrehana fifidianana izao mba tsy hisian`ny olana sao vao mainka hiteraka krizy vaovao indray.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.