I Antsirabe indray no nampiantrano ny fiofanana nokarakarain`ny CENI Madagascar ho an’ireo mpanao gazety momba ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 7 novambra 2018 izao
ka niantsoana mpanao gazety 22 mianadahy taorian’izany ka nisy ny nanao televiziona, radio ary gazety an-tsoratra. Voaresaka nandritra ny telo andro niofanana ny zava-misy momba ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny olana mianjady amin’ireo mpanao gazety, ny momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lisi-pifidianana, ny lalàna sy ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary ny zon’olombelona. Nohamafisiny ihany koa ny zo sy andraikitra ary fitsipi-pitondrantenan’ny mpampahalala vaovao na mpanao gazety manoloana ny fifidianana. Nisy mihitsy ny fampiharana teny an-kianja omaly mba nahafahan’izy ireo nampihatra ny fiofanana. Mialoha ny fampiharana, nanazava ireo lalàna isan-karazany sy ny manodidina ny fifidianana ny tompon’andraikitry ny CENI izay notarihan’ny Commissaire Electoral National, Fano Rakotondrazaka. Betsaka ny zavatra fantatra nandritra ny fiofanana ny 11 - 13 aogositra 2018. Marihana fa ny PNUD no nikarakara ny fiofanana niarahany tamin`ny CENI Madagascar, OJM, SACEM, UNESCO… Rehefa vita ny ao Antsirabe dia hahazo ny anjara fiofanany ihany koa ireo mpanao gazety any Mahajana, Antsiranana ary Toamasina. Marihana fa manana anjara andraikitra lehibe ny mpampahalala vaovao sy ny orinasan-tserasera mandritra ny vanim-potoan’ny fifidianana toy izao. Sarotra tokoa ny manomana sy manatanteraka fifidianana madio sy mangarahara, tsy mora ihany koa ny asa fanaovan-gazety, indrindra fa amin’izao vanim-potoan’ny krizy eto amintsika izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.