Politique

Fiatrehana fifidianana Manjavozavo ny tetibola


  • Talata 04 Septambra 2018

Mitentina 40 miliara Ariary ny tetibola natokan’ny fitondram-panjakana hanomanana ny fifidianana hitranga manomboka ny 7 novambra izao, raha ny voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola ho an’ny taona 2018.

 

 

Ampy hiatrehana ny fifidianana izany, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana, tamin’ny volana jolay. Tsy nanazava tamin’ny antsipirihany ny fomba itsinjarana ny fampiasana azy io moa ny tenany fa dia hoe : ampy fotsiny ary izay mila fanazavana fanampiny dia afaka mitsidika ny tranokalam-pifandraisan’ity Vaomiera mahaleotena hisahana ny fifidianana ity. Ny antsasa-manilan’ny Malagasy anefa tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ankoatr’io vola avy amin’ny fitondrana io dia mbola nanome anjara fanampiana koa ny avy any ivelany, toy ny Frantsay, ny Japoney, ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana, ny Vondrona Eoropeanina ary hanasonia ny azy koa anio ny Koreanina Tatsimo. Tsy mbola mangarahara nefa hatreto hoe : ohatrinona marina moa izany izao ny totalin’izay vola efa an-tanana izay ary ahoana no hitsinjarana azy ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT